NY LED Matanjaka 1W sy 3W

Fampidirana

ny atao hoe LED (light emitting diode) dia diode ihany fa manome hazavana rehefa misy rian -aratra ( courant) mandalo ao aminy,

Fanazavana tsotsotra

Ireo  LED ohatran ny kitana  ny paoziny Matanjaka ireo dia manome hazavana bediabe anefa tsy dia mihinana angovo firy, izany hoe ambany dia ambany ny taha mpihinanana angovo raha oharina amin ireo takamoa tsotra,

ireo LED matanjaka ireo dia apetaka eo ambony fitoerany voatokana hampangatsiaka azy satria izy dia miteraka hafanana noho izy kely anefa matanjaka , ary mba tsy hahamora ny mahafaty azy dia mila ampangatsiahina.

Ary io fametrahana azy io ihany koa dia efa misy toerana ahafahana manao ny fanohizana ny tariby.

fampahalalana Teknika

Elanelan’angovo’aratra (Forward Voltage:) 3.5V – 4.0V
Zoro  (Angle:) 110 deg
Hazavana  (Luminus Flux (lm):) 160 – 200
lokon’ny hafanana (Colour Temp) 6000K – 7000K

 

Ny Habeany

how_to_use_a_3w_warm_star_led_1

Ny endriny eo ambony fitoerany sady fampangatsiahana azy

how_to_use_a_3w_warm_star_led_2

Fampiasana azy

Ny LED Matanjaka  3W dia mitaky elan’elan angovon’aratra( forward voltage)eo amin’ny  3.5V ka hatramin’ny 4.0V eo ho eo,  Matetika rehefa manao kajy dia   3.7Vno ampiasaina. arak’izany dia mihinana rian’aratra eo amin’ny  810mA izy  (P= U x I). Arak’izany dia tokony hanana aratra mihoatra ny  810mA ny mpamokatra Angovo.

anefa ny ankabeazan ‘ny  loharanon’aratra ampiasaina ( sourge d’alimentation) dia mihoatra ny 3.7V  noho izany tsy maintsy limitena amin’ny alalan’ny tohitra ( resistance ) ny rian’aratra ( courant)ary tsy maintsy apetaka io raha tsy izany dia may ilay LED, dia ilay tohitra ( resistance) koa tokony hahazaka ilay rian’aratra( courant) 810mA izay mikoriana manaraka ao anatin ilay tohitra ( resistance), tokony tohitra ( resistance) matanjaka koa izany no ampiasaina miaraka amin’ilay LED , rehefa mandeha ilay izy dia mafana ilay tohitra sy ilay LED ka tsy azo kitihina.

misy marika‘+’ sy ‘-’ ilay LED ohatra an io manaraka io:

how_to_use_a_3w_warm_star_led_3

LED anakiray alefa amin ny  5V tohitra 2.2 ohm

how_to_use_a_3w_warm_star_led_4

ny tohitra ( resistance ) ampiasaina dia arakaraky ny elanelan’angovon’aratra ( tension d’alimentation principale) ampiasaina

Misaotra indrindra

2 réflexions sur “ NY LED Matanjaka 1W sy 3W ”

Répondre à Faly Annuler la réponse.

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <s> <strike> <strong>