NY RASPBERRY PI

Ny raspberry pi

       Ny raspberry pi dia irony karazana solosaina madinika irony. Natao indrindra ho mora ny fampiasana azy raspsatria fahitalavitra misy an’ireny RCA ireny dia mety atao ecran ho azy. Mampiasa ny processeur ARM izy ka latsaky ny 10W ny angovo ilainy eo ampiasana tsy tahaka ireny x86 mahazatra antsika ireny izay mila hatrany amin’ny 450W. Misy aza milaza fa angovo 3.5W monja no ilainy.

          Noho ireo antony ireo dia maro ny olona lina amin’ny fampiasana ny raspberry pi. Any Tanzania ohatra dia misy mampiasa an’ito solosaina ito hampianarana any amin’ny ambaratonga faharoa ny taranja informatika any amin’ireo toerana tsy misy herin’aratra. Tsy any ambanivohitra tsy misy jiro ihany no ampiasana ny RPI fa ny ESA (european space agency) koa dia mikasa handefa raspberry pi ho any anatin’ny zanabolana ISS. Ho lina koa ireo mpikitikitika informatika sy elektronika raha mahita fa misy GPIOs (General Purpose Input Output) maro ito solosaina ito ; GPIO izay toa efa manomboka tsy hita intsony amin’ny solosaina x86 lazaina fa hoe “maoderina” ireny. Mety ho an’ireo cybercafé koa ny RPI noho izy tsy mandany jiro mihitsy (famahanana finday dia mety ho azy).

Ireo mampiavaka ny raspberry pi

Misy karazany maro ny RPI (mod : A ; B ; A+ ; B+; 2) fa ny ho entina aminao dia ny RPi 2 izay efa amidy ato aminy Tsena Express.

Hardware :

  • Broadcom BCM2836 – Cortex-A7 900 MHz (quad core)
  • 1GB RAM
  • 4 USB ports
  • 40 GPIO (misy USART, SPI …)
  • ethernet port (port reseau)
  • full HDMI port
  • composite video (RCA)
  • VideoCore IV 3D (graphic processor)
  • CSI ho an’ny camera
  • DSI ho an’ny LCD
  • Micro SD card slot

    Software :

               Araka ny maha ARM azy dia mety ho azy ny distrubution linux mahazaka ny ARM rehetra. Ny RASPBIAN kosa no natokana ho an’ny raspberry irery ihany. Efa misy ny karazana logiciels maro ilaina andavanandro ao anaty raspbian toy ny navigateur, fijerena video sns. Efa misy Python koa ao ahafahanao mampiasa ireo GPIO isan-karazany eo amin’ny RPi. Afaka maka logiciels hafa maimaimpoana ianao ao amin’ny depot officiel-‘ny raspbian.

            Raha te hampiasa OS hafa kosa ianao dia ireto no karazany hafa azo ampiasaina : Debian armh ( mila recompilation kernel : sarotsarotra ho an’ireo vaovao ) ; slackware SARPi2… Ho an’ireo tia MS Windows kosa dia efa nampilaza ny orinasa Microsoft fa hivoaka tsy ho ela ny windows 10 mifanaraka amin’ny Rpi. Hatreto aloha dia ny raspbian ihany no tena hita fa mety ho an’ny Rpi.

    Marihina fa ao anaty micro SD no atao ny OS an’ny Rpi.

                Ho fehiny, Solosaina kely sy matanjaka nefa tsy mila angovo betsaka ny Raspberry Pi. Mety ho an’ny olona rehetra izy na mpianatra na mpikaroka na olontsotra. Mora ampiasaina izy ary maimaimpoana daholo ny logiciels ampiasaina aminy. Ary ho anao mpamaky : mividiana Raspberry pi ato amin’ny tsena express fa hahazo tranony maimaimpoana ianao.

                  Mandrampiresaka indray ary!!!

2 réflexions sur “ NY RASPBERRY PI ”

Laisser un commentaire

Votre adresse de messagerie ne sera pas publiée. Les champs obligatoires sont indiqués avec *

Vous pouvez utiliser ces balises et attributs HTML : <a href="" title=""> <abbr title=""> <acronym title=""> <b> <blockquote cite=""> <cite> <code> <del datetime=""> <em> <i> <q cite=""> <s> <strike> <strong>