Fampidirana
ny atao hoe LED (light emitting diode) dia diode ihany fa manome hazavana rehefa misy rian -aratra ( courant) mandalo ao aminy,
Fanazavana tsotsotra
Ireo LED ohatran ny kitana ny paoziny Matanjaka ireo dia manome hazavana bediabe anefa tsy dia mihinana angovo firy, izany hoe ambany dia ambany ny taha mpihinanana angovo raha oharina amin ireo takamoa tsotra,
ireo LED matanjaka ireo dia apetaka eo ambony fitoerany voatokana hampangatsiaka azy satria izy dia miteraka hafanana noho izy kely anefa matanjaka , ary mba tsy hahamora ny mahafaty azy dia mila ampangatsiahina.
Ary io fametrahana azy io ihany koa dia efa misy toerana ahafahana manao ny fanohizana ny tariby.
fampahalalana Teknika
Elanelan’angovo’aratra (Forward Voltage:) | 3.5V – 4.0V |
Zoro (Angle:) | 110 deg |
Hazavana (Luminus Flux (lm):) | 160 – 200 |
lokon’ny hafanana (Colour Temp) | 6000K – 7000K |
Ny Habeany
Ny endriny eo ambony fitoerany sady fampangatsiahana azy
Fampiasana azy
Ny LED Matanjaka 3W dia mitaky elan’elan angovon’aratra( forward voltage)eo amin’ny 3.5V ka hatramin’ny 4.0V eo ho eo, Matetika rehefa manao kajy dia 3.7Vno ampiasaina. arak’izany dia mihinana rian’aratra eo amin’ny 810mA izy (P= U x I). Arak’izany dia tokony hanana aratra mihoatra ny 810mA ny mpamokatra Angovo.
anefa ny ankabeazan ‘ny loharanon’aratra ampiasaina ( sourge d’alimentation) dia mihoatra ny 3.7V noho izany tsy maintsy limitena amin’ny alalan’ny tohitra ( resistance ) ny rian’aratra ( courant)ary tsy maintsy apetaka io raha tsy izany dia may ilay LED, dia ilay tohitra ( resistance) koa tokony hahazaka ilay rian’aratra( courant) 810mA izay mikoriana manaraka ao anatin ilay tohitra ( resistance), tokony tohitra ( resistance) matanjaka koa izany no ampiasaina miaraka amin’ilay LED , rehefa mandeha ilay izy dia mafana ilay tohitra sy ilay LED ka tsy azo kitihina.
misy marika‘+’ sy ‘-’ ilay LED ohatra an io manaraka io:
LED anakiray alefa amin ny 5V tohitra 2.2 ohm
ny tohitra ( resistance ) ampiasaina dia arakaraky ny elanelan’angovon’aratra ( tension d’alimentation principale) ampiasaina
Misaotra indrindra